Isaiah 34:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho levona ny tafiky ny lanitra rehetra ary hahorona tahaka ny fangorona taratasy ny lanitra; ny tafiny rehetra dia halazo tahaka ny falazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo, mihintsana avy amin’ny aviavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tafiky ny lanitra rehetra ho zary vovoka; ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy; ary ny tafiny rehetra hiraraka hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka, hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin’ny aviavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho levona ny tafiky ny lanitra rehetra ary hahorona tahaka ny fangorona taratasy ny lanitra; ny tafiny rehetra dia halazo tahaka ny falazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo, mihintsana avy amin’ny aviavy.
malagasy