Isaiah 34:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny sabatro dia mamo any amin’ny lanitra; indro, hidina ao amin’i Edoma izy sy amin’ny firenena voatendriko ho zavatra voaozona mba ho fitsarana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa mamon-dra teny amin’ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edôma, ho any amin’ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO no mandihindihy toa mamo, ka indro miantonta hamely an’i Edôma, dia ilay firenena voatendry haringana mba ho famaizan’ny TOMPO azy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny sabatro dia mamo any amin’ny lanitra; indro, hidina ao amin’i Edoma izy sy amin’ny firenena voatendriko ho zavatra voaozona mba ho fitsarana azy.
malagasy
Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]