Isaiah 34:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Feno ra ny sabatry NY TOMPO; eny, mihoso-menaka avy amin’ny matavy sy amin’ny ran’ny zanak’ondry sy ny osilahy ary amin’ny jabora fonom-boan’ny ondrilahy; fa misy fanatitra ataon’NY TOMPO ao Bozra, ary misy fandringanana be ao amin’ny tany Edoma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sabatr’i Iaveh dia feno ra, mihosi-menaka, sy ran-janak’ondry aman’osilahy, ary sabora fonom-boan’ondralahy. Fa manao sorona ao Bôsrà, i Iaveh, sy famonoam-be ao amin’ny tanin’i Edôma
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno ra ilay sabatry ny TOMPO sady mihosina menaka, dia ran’ny zanak’ondry sy osilahy ary koa menaka avy amin’ny fonom-boany; satria misy sorona ataon’ny TOMPO ao Bôtserà ary fandringanana goavana ao amin’ny tany Edôma.
Malagasy Bible 1865
Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Feno ra ny sabatry NY TOMPO; eny, mihoso-menaka avy amin’ny matavy sy amin’ny ran’ny zanak’ondry sy ny osilahy ary amin’ny jabora fonom-boan’ny ondrilahy; fa misy fanatitra ataon’NY TOMPO ao Bozra, ary misy fandringanana be ao amin’ny tany Edoma.
malagasy