Isaiah 35:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mamony be dia be izy; eny, mibitaka sy mihoby izy, homena azy ny voninahitr’i Libanona mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy i Saròna. Dia hahita ny voninahitry NY TOMPO sy ny famirapiratan’Andriamanitsika izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna. Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.
Malagasy Bible 1865
Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mamony be dia be izy; eny, mibitaka sy mihoby izy, homena azy ny voninahitr’i Libanona mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy i Saròna. Dia hahita ny voninahitry NY TOMPO sy ny famirapiratan’Andriamanitsika izy.
malagasy