Isaiah 35:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lazao amin’izay kivy hoe: «Mahereza, aza matahotra; indro ny Andriamanitrareo tonga hitondra famaizana ka hanasazy ny fahavalonareo; Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»
Malagasy Bible 1865
Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao amin’izay mitebiteby hoe: Mahereza, aza matahotra, indro Andriamanitrareo! Avy mitondra famaliana Izy, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
malagasy
Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]