Isaiah 35:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa ary hihoby ny lelan’ny moana. Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an’efitra; ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitsambikina toy ny diera ny mandringa, hiteny an-kafaliana ny lelan’ny moana, satria hiboiboika any an-taniefitra ny rano ary hisy ranon-driaka any amin’ny tany ngazana.
Malagasy Bible 1865
Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa ary hihoby ny lelan’ny moana. Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.
malagasy
Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.