Isaiah 35:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tany ngazana dia ho tonga farihy, ary ny tany mangentana dia ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tany hay, hanjary ho farihy, ary ny tany mangentana ho loharano. Ny lavaka fonenan’ny amboadia hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tany karakaina hanjary farihy, ny tany mangentana hiboiboika loharano. Ary eo amin’ny toerana famitsahan’ny amboadia dia hanirian’ny volotara sy ny zozoro.
Malagasy Bible 1865
Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tany ngazana dia ho tonga farihy, ary ny tany mangentana dia ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.
malagasy
Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.[ny miraja][Na: jakala]