Isaiah 35:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy lalambe any, lalana voavoatra, izay hatao hoe lalan’ny fahamasinana. Tsy mba handia izany ny tsy madio; fa ho an’izay mandeha eo aminy kosa, na ny adala aza dia tsy ho diso lalana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe «lalana voatokana». Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an’ny vahoakany ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy lalambe any, lalana voavoatra, izay hatao hoe lalan’ny fahamasinana. Tsy mba handia izany ny tsy madio; fa ho an’izay mandeha eo aminy kosa, na ny adala aza dia tsy ho diso lalana;
malagasy
Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]