Isaiah 35:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tsy hisy liona ao sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny fa ny olona navotana no handeha ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao tsy mba hisy liona, tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao. Fa ny voavonjy no hizotra ao, ary ny navotan’i Iaveh no ho tonga ao indray;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hahitana liona io lalana io sady tsy hiakaran’ny biby masiaka; tsy hisy ho hita eo ireny fa izay nafahan’ny Tompo no handeha eo.
Malagasy Bible 1865
Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tsy hisy liona ao sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny fa ny olona navotana no handeha ao.
malagasy
Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.