Isaiah 36:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahefatra amby folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-14, nanjakan’i Ezekiasa, niakatra i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-14 nanjakàn’i Hezekià no nahatongavan’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahefatra amby folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asiria ka nahazo azy.
malagasy
[Ny nanafihan'i Sankeriba an'i Joda, sy ny teny nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny fitarainan'i Hezekia sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.