Isaiah 36:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa moa haitraitrako va izao niakarako izao? Tsia, fa NY TOMPO no naniraka ahy handrava ity tany ity ka niteny hoe: Miakara ho amin’izany tany izany ka ravao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny matoa niakarako ity tany ity handrava azy, moa tsy avy amin’ny sitrak’i Iaveh izany? - Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: ‹Miakara hamely izany firenena izany, ka ravao izy!› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny, moa hamely sy handrava ity tany ity ve ilay mpanjaka tompoiko raha tsy sitraky ny TOMPO izany? Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nanome baiko azy hamely sy handrava ity tany ity.»
Malagasy Bible 1865
Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa moa haitraitrako va izao niakarako izao? Tsia, fa NY TOMPO no naniraka ahy handrava ity tany ity ka niteny hoe: Miakara ho amin’izany tany izany ka ravao izy.
malagasy
Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.