Isaiah 36:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao aho, teny arameana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany, fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Eliasima sy i Sobnà ary i Jôahe, tamin’ny lehiben’ny mpandroso divay: «Mba teny arameanina no ataovy amin’ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren’ny vahoaka eny ambony manda.» Fa izao no navalin’ny lehiben’ny mpandroso divay:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Eliakima dekà tamin’ilay asirianina: «Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin’ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao aho, teny arameana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany, fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda.
malagasy
Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]
Recommended Reading