Isaiah 36:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa i Rabsake: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ny olona mipetraka eny ambonin’ny manda, izay voatery hihinana ny fivalanany sy hisotro ny fivalanan-dranony miaraka aminareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Moa ny tomponao sy ianao va, no nanirahan’ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny navalin’ilay dekà hoe: «Moa ho an’ny tomponao sy ho anao ihany va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany fa tsy ho an’ny olona izay mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanandranony.»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa i Rabsake: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ny olona mipetraka eny ambonin’ny manda, izay voatery hihinana ny fivalanany sy hisotro ny fivalanan-dranony miaraka aminareo?
malagasy
Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? [Heb. ny tainy][Heb. ny amaniny]