Isaiah 36:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mety hasain’i Hezekia hatoky NY TOMPO ianareo amin’ny filazany hoe: Hamonjy antsika tokoa NY TOMPO! Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria tsy akory ity tanàna ity!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary aza mety hotaritin’i Ezekiasa hatoky an’i Iaveh, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa i Iaveh, ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary aza mety hotarihiny hitoky amin’ny TOMPO raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanàna ity.
Malagasy Bible 1865
Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mety hasain’i Hezekia hatoky NY TOMPO ianareo amin’ny filazany hoe: Hamonjy antsika tokoa NY TOMPO! Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria tsy akory ity tanàna ity!
malagasy
Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.