Isaiah 36:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mihaino an’i Hezekia ianareo, fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Mihavàna amiko ianareo ka mankanesa atỳ amiko! Ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy,
Malagasy Bible 1865
Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mihaino an’i Hezekia ianareo, fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Mihavàna amiko ianareo ka mankanesa atỳ amiko! Ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny avy ianareo, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony
malagasy