Isaiah 36:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mety hofitahin’i Hezekia ianareo amin’ny ilazany hoe: NY TOMPO no hamonjy antsika! Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza mety ho voafitak’i Hezekià fotsiny ianareo amin’ny hoe hamonjy anareo ny TOMPO. Moa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako ve ireo andriamanitry ny firenen-kafa?
Malagasy Bible 1865
Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mety hofitahin’i Hezekia ianareo amin’ny ilazany hoe: NY TOMPO no hamonjy antsika! Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
malagasy
Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?