Isaiah 36:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitantsoratry ny raharaham-panjakana dia niditra nankao amin’i Hezekia rehefa avy nandriatra ny fitafiany, ary nitatitra taminy ny tenin’i Rabsake izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry ny bokim-panjakana, ka nambarany taminy ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay, ary samy voatriatra ny fitafiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Eliakima zanakalahin’i Hilkià sady lehiben’ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka dia niverina nankany amin’i Hezekià, rehefa avy nandriatra fitafiana, ka nitatitra taminy ny tenin’ilay lehiben’ny toby asirianina.
Malagasy Bible 1865
Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitantsoratry ny raharaham-panjakana dia niditra nankao amin’i Hezekia rehefa avy nandriatra ny fitafiany, ary nitatitra taminy ny tenin’i Rabsake izy ireo.
malagasy