Isaiah 36:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, matoky io tehina volotara torotoro io ianao, dia i Ejipta; nefa raha itehenan’olona io dia manindrona managorobaka ny tanany; eny, tahaka izany ny farao, mpanjakan’i Ejipta, amin’izay rehetra matoky azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan’izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok’i Faraôna amin’izay rehetra matoky azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan’izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy.
Malagasy Bible 1865
Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, matoky io tehina volotara torotoro io ianao, dia i Ejipta; nefa raha itehenan’olona io dia manindrona managorobaka ny tanany; eny, tahaka izany ny farao, mpanjakan’i Ejipta, amin’izay rehetra matoky azy.
malagasy