Isaiah 36:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha hoy ianao amiko: NY TOMPO Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny toerana fanaovana sorona mbamin’ny alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’ny Joda sy i Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara ity no hiankohofanareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ianao manao amiko hoe: ‹I Iaveh Andriamanitray no itokianay› - moa tsy Izy va no nanesoran’i Ezekiasa ny fitoerana avo aman’ôtely nanaovany tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: ‹Eo anoloan’ity ôtely ity no hiankohofanareo?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Angamba ianao hamaly ahy fa ny TOMPO Andriamanitrareo no itokianareo. Kanefa dia ianao indrindra, ry Hezekià, no nanafoana ny toeram-pisoronana aman’ alitarany ka nandidy ny mponin’i Joda sy Jerosalema mba tsy hiankohoka afa-tsy eo anoloan’ny alitaran’i Jerosalema ihany?»
Malagasy Bible 1865
Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha hoy ianao amiko: NY TOMPO Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny toerana fanaovana sorona mbamin’ny alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’ny Joda sy i Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara ity no hiankohofanareo?
malagasy