Isaiah 36:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataonao ahoana no fampiamboho ny mpitari-tafika iray amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra aza? Nefa i Ejipta no itokisanao hahazoanao kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataonao ahoana no fampiamboho kapiteny iray akory, amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin’izy ireo aza? Noho izany dia i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy aman-tsoavaly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataonao ahoana moa no hampandositra ny komandy anankiray amin’ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tàhiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
Malagasy Bible 1865
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?