Isaiah 37:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandre izany i Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany teny izany i Ezekiasa, dia notriariny ny fitafiany, notafiny ny lasàka, lasa izy nankao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekià mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandre izany i Hezekia mpanjaka dia nandriatra ny fitafiany sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
[Ny teny nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny vavaka nataon'i Hezekia ary ny teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,