Isaiah 37:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Andriamanitry ny Israely, izay mipetraka amin’ny kerobima; Ianao dia Ianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany; Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, Andriamanitry ny Israely, izay mipetraka amin’ny kerobima*; Ianao dia Ianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany; Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
malagasy
Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.