Isaiah 37:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona, zanakavavy virijiny, mihifikifi-doha ao aoriananao i Jerosalema zanakavavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no teny nolazain’i Iaveh ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao ilay virjiny zanaka vavin’i Siôna; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanaka vavin’i Jerosalema!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no teny tononin’ny TOMPO hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanàna kanton’i Tsiôna, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tanànan’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izao no teny nolazain’NY TOMPO ny amin’i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao i Ziona*, zanakavavy virijiny, mihifikifi-doha ao aoriananao i Jerosalema zanakavavy.
malagasy
dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.