Isaiah 37:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nihantsianao ny Tompo ka hoy ianao: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona; hokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina, dia hiditra any amin’izay farany azo iakarana ao aho sy any amin’ny alany matevina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina eo aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.
Malagasy Bible 1865
Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nihantsianao ny Tompo ka hoy ianao: Tamin’ny kalesiko fitondra miady maro no niakarako tany an-tampon’ny tendrombohitra, tao afovoan’i Libanona; hokapaiko ny sedera avo sy ny kipreso voafantina, dia hiditra any amin’izay farany azo iakarana ao aho sy any amin’ny alany matevina.
malagasy