Isaiah 37:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihady lavaka Aho ka nisotro rano ary ny faladiako no handritako ny lakandrano rehetra any Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihady aho, dia manan-drano hosotroina; homainiko amin’ny faladian-tongotro ny onin’i Ejipta rehetra.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho no efa nihady vovo fantsakana sy nisotro ny ranon’ny firenen-kafa; ary horitiko ny sakeli-drano rehetra any Ejipta raha vao migadona any ny faladiako!›
Malagasy Bible 1865
Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihady lavaka Aho ka nisotro rano ary ny faladiako no handritako ny lakandrano rehetra any Ejipta.
malagasy
Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Heb. Mazora]