Isaiah 37:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mbola renao va fa hatry ny fony ela no nanaovako izany, ary hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny dia nahatanteraka izany Aho. Koa ny anjaranao sisa dia ny handrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mba renao va fa efa hatramin’ny ela dia nanao izany aho, ary efa noforoniko hatramin’ny andro taloha? Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan’izany. hampanjarianao korontan-javatra miavosa ny tanàna mimanda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an’izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin’ny ela be no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanànamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.
Malagasy Bible 1865
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mbola renao va fa hatry ny fony ela no nanaovako izany, ary hatramin’ny andro taloha no namolavolako izao? Ankehitriny dia nahatanteraka izany Aho. Koa ny anjaranao sisa dia ny handrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
malagasy