Isaiah 37:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra izy ireo no nangaihay; tahaka ny ahitra any an-tsaha sy ny ahi-maitso izy, tahaka ny ahitra eo amin’ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy manan-kery ny mponina fa raiki-tahotra sy mivadi-po; izy ireo manahaka ny ahitra eny an-tsaha aman-java-maitso milenodenoka, tahaka ny ahitra ambony tafon-trano, tahaka ny vary mandavenona, maina alohan’ny fahamasahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia miraviravy tanana ny mponina ao aminy, sady raiki-tahotra no safo-kenatra; toy ny vilona any an-tsaha izy ireo sy tahaka ny ahi-maitso eny an-jaridaina ary tahaka ny zava-maniry eny an-tampon-trano ka main’ny rivotra avy any atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra izy ireo no nangaihay; tahaka ny ahitra any an-tsaha sy ny ahi-maitso izy, tahaka ny ahitra eo amin’ny tampon-trano*, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
malagasy
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.