Isaiah 37:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no nampilazainy azy ireo: Izao no lazain’i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa efa hivoaka ny kibon’ny reniny ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hanao aminy hoe: «Izao no lazain’i Hezekià: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baràka ho antsika ity andro ity! Tonga amin’ny fitenenana hoe: ‹Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.›
Malagasy Bible 1865
ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.