Isaiah 37:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny vokatry ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin’ity taona ity, ny vokatra avy amin’ny vary raraka an-tany no hohanina; amin’ny taona faharoa ny maniry ho azy no hohanina; fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy sy hijinja ianareo; hamboly tanimboaloboka sy hihinana ny vokany ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin’ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin’ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao kosa no famantarana ho anao: Hihinana ny vokatry ny voa nihintsana ianareo amin’ity taona ity ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany. Fa amin’ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo ka mijinjà ary manaova tanim-boaloboka ka mihinàna izay vokatra avy aminy.
malagasy