Isaiah 37:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana; ary nony nifoha vao maraina ny olona dia hita fa indreo, efa maty avokoa ireo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin ’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.
Malagasy Bible 1865
Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia avy ilay Anjelin’NY TOMPO* ka namely olona dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asiriana; ary nony nifoha vao maraina ny olona dia hita fa indreo, efa maty avokoa ireo!
malagasy
Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.