Isaiah 37:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny izy dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarezera zanany lahy tamin’ny sabatra; dia afaka nandositra ho any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy; ary i Esara-Hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nitoetra tany Niniva. Fa raha ilay niankohoka tao an-tranon’i Nesrôka, andriamaniny iny izy, dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarasara, zanany lahy, tamin’ny sabatra, ka nandositra tany amin’ny tanin’ny Ararata izy ireo, dia i Asaradôna, zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo raha iny izy niankohoka tao amin’ny tempolin’i Nisrôka andriamaniny iny indrindra, no avy namono azy tamin’ny sabatra ny zanany roa lahy, dia i Adramelèka sy i Saretsera; avy eo lasa nandositra any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy fa i Esara-Hadôna zanakalahin’i Saneheriba no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny izy dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarezera zanany lahy tamin’ny sabatra; dia afaka nandositra ho any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy; ary i Esara-Hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
malagasy