Isaiah 37:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny tenin’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona ka mba hovaliny izy noho ny teny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa manandrata vavaka ianao ho an’ireo izay mbola sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao, ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria, tompony, hanevateva an’Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an’izay sisa mbola tavela.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Angamba ho ren’ny TOMPO Andriamanitrao ny tenin’ilay dekà asirianina izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hanevateva an’Andriamanitra velona; ka hofaizin’ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany. Fa manandrata vavaka ianao ho an’ireo sisa tavela amin’ny vahoakany.»
Malagasy Bible 1865
Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Angamba ho ren’NY TOMPO Andriamanitrao ny tenin’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hihantsy an’Andriamanitra velona ka mba hovaliny izy noho ny teny izay efa ren’NY TOMPO Andriamanitrao. Koa manandrata vavaka ianao ho an’ireo izay mbola sisa.
malagasy