Isaiah 37:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoy i Izaia tamin’izy ireo: «Izao no holazainareo amin’ny tomponareo: Toy izao no tenin’i Iaveh: Aza matahotra ny teny efa renao, izay naniratsiran’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asiria Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nilazany hoe: –Ambarao amin’ny tomponareo izao hafatry ny TOMPO izao: Aza matahotra eo anatrehan’ny teny renao nanevatevan’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Asiria Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ny tomponareo hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Aza matahotra ny teny renao, dia izay nanompan’iretsy mpanompolahin’ny mpanjakan’i Asiria iretsy Ahy.
malagasy
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.