Isaiah 38:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia; ary nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao fa ho faty ianao fa tsy ho velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin’i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia; ary nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao fa ho faty ianao fa tsy ho velona.
malagasy
[Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.