Isaiah 38:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy aho: Tsy mba hahita NY TOMPO intsony aho; eny, tsy mba hahita NY TOMPO ao amin’ny tanin’ny velona intsony aho; tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ny mponina any amin’ny fitoeran’ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy aho: «Tsy mba hahita an’i Iaveh intsony aho, tsy hahita an’i Iaveh, eo amin’ny tanin’ny velona; tsy mba hahita ny olombelona intsony aho eo amin’ny mponina any amin’ny fonenana mangina!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy koa aho hoe: Tsy hahita ny TOMPO intsony aho eto amin’ny tanin’ny velona; ary any amin’ny fiafaran’ny zavatra rehetra dia tsy hahita endrik’olona intsony aho.
Malagasy Bible 1865
Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy aho: Tsy mba hahita NY TOMPO intsony aho; eny, tsy mba hahita NY TOMPO ao amin’ny tanin’ny velona intsony aho; tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ny mponina any amin’ny fitoeran’ny maty.
malagasy
Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]