Isaiah 38:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nesorina ny fonenako ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny tranolain’ny mpiandry ondry; ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny kofehy mihazona azy izy. Indray andro monja no anaperanao ny aiko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fonenako nesorina, nentina lavitra ahy, tahaka ny lain’ny mpiandry ondry. tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon’ny fiainako, fa tapahiny hiala amin’ny fanenomana aho! Hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nongotanao ny fonenako ka nafindranao lavitra ahy toy ny lain’ny mpiandry ondry. Ahoronao toy ny tenona ny fiainako ka efa ho tapaka ny haraka. –Indray andro monja, TOMPO ô no anaperanao ny aiko;
Malagasy Bible 1865
Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nesorina ny fonenako ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny tranolain’ny mpiandry ondry; ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny kofehy mihazona azy izy. Indray andro monja no anaperanao ny aiko!
malagasy