Isaiah 38:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Reraka miandrandra ny avo ny masoko, TOMPO ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromahailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mikiakiaka toa sidintsidina aho ary mitoloko toa voromahailala. Tsy mahajery lanitra intsony ny masoko, –Tompo ô, tena trotraka aho, ka aoka mba hiantohanao.–
Malagasy Bible 1865
Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Reraka miandrandra ny avo ny masoko, TOMPO ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Ianao!
malagasy