Isaiah 38:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy. Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka mangitsokitsoka, fa narianao tao ivohonao ny fahotako rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro niova ho fahasambarana ilay fahoriako nangidy dia nangidy. Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty; fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.
Malagasy Bible 1865
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy. Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka mangitsokitsoka, fa narianao tao ivohonao ny fahotako rehetra.
malagasy
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.