Isaiah 38:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy mba mahasaotra Anao ny fitoeran’ny maty, tsy mba mahadera Anao ny fahafatesana; ary izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria tsy mankalaza anao ny Seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana Anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Any amin’ny fonenan’ny maty tokoa dia tsy misy afaka midera Anao; ireo nindaosin’ny fahafatesana tsy mba afaka mankalaza Anao; izay tafidina any am-pasana tsy hanantena ny toetranao mahatoky.
Malagasy Bible 1865
Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy mba mahasaotra Anao ny fitoeran’ny maty, tsy mba mahadera Anao ny fahafatesana; ary izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao intsony.
malagasy
Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]