Isaiah 38:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hampiako dimy amby folo taona ny andronao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
handeha hilaza amin’i Hezekià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao.
Malagasy Bible 1865
Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hampiako dimy amby folo taona ny andronao.
malagasy