Isaiah 38:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy, eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.› » Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tohatr’i Ahaza, izay azon’ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan’ny aloka; indro fa hampihemorin’ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.» Dia azon’ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka teo.
Malagasy Bible 1865
Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin ' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka.
malagasy
Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]