Isaiah 39:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, i Merôdàka-Baladàna, zanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an’i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna, zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna, no nandre fa narary i Hezekià ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana.
malagasy
[Ny nandraisan'i Hezekia ny iraky ny mpanjakan'i Babylona, sy ny teny nolazain'Isaia noho izany] Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.