Isaiah 39:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona ireo ary avy taiza no niaviany hankaty aminao? Ary hoy i Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, avy tany Babilona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankeo amin’i Ezekiasa mpanjaka i Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Inona no nolazain’ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankatỳ aminao?» Hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy lavitra izy ireo no nankatỳ amiko; avy any Babilôna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia nankany amin’i Hezekià mpanjaka i Isaià mpaminany ka nanontany azy hoe: –Inona no nolazain’ireny olona ireny? Avy aiza hono izy no nankatỳ aminao? Dia novalian’i Hezekià hoe: –Avy any Babilôna lavitra any izy no nankatỳ amiko.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka niteny taminy hoe: Inona no nolazain’ireo olona ireo ary avy taiza no niaviany hankaty aminao? Ary hoy i Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, avy tany Babilona.
malagasy