Isaiah 39:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Isaia: Koa inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy i Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ny trano fitahirizana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Izaia: «Inona avy no hitany tato an-tranonao?» Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Hitany avokoa izay rehetra ato an-tranoko; tsy misy tsy nasehoko azy ny firaketako rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy indray i Isaià: –Inona avy anefa no hitany tato an-dapanao? Dia hoy ny navalin’i Hezekià: –Izay rehetra ato an-dapako dia hitany avokoa. Tsy nisy zavatra nafeniko azy ny tao amin’ny fitoeran-drakitro manontolo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.