Isaiah 39:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin’ny razanao mandrak’androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ireo razanao hatramin’izao. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO.
malagasy