Isaiah 39:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ny androko ka handry fahalemana ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh nambaranao»; ary nanampy teny izy nanao hoe: «Fa hisy fiadanana sy fandriana feizay, amin’ny androko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Hezekià tamin’i Isaià: «Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao.» Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin’ny androko.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ny androko ka handry fahalemana ny tany.
malagasy
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.