Isaiah 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hiteny hoe: Ny haninay ihany no hohaninay ary ny fitafianay ihany no hanaovanay; fa izao no hany angatahinay: Aoka hampitondraina ny anaranao izahay ka afaho tondro-maso!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: «Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin’ny fahafaham-baràkanay.»
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hiteny hoe: Ny haninay ihany no hohaninay ary ny fitafianay ihany no hanaovanay; fa izao no hany angatahinay: Aoka hampitondraina ny anaranao izahay ka afaho tondro-maso!
malagasy