Isaiah 4:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hamorona rahona sy setroka NY TOMPO amin’ny antoandro ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Ho eny ambonin’ny toerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona izany sady ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra; satria ho fiarovana eo ambonin’ny zavatra rehetra ny voninahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’izay dia hoforonin’i Iaveh eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo, sy eo ambonin’ny fivoriany, ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro, ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hisy rahona matevina amin’ny antoandro sy afo mazava midedadeda amin’ny alina ho tonga eo ambonin’ny tendrombohitr’i Tsiôna manontolo sy amin’ny olona vory ao. Eny ambonin’ireo rehetra ireo kosa ny voninahitry ny TOMPO mba ho fiarovana,
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hamorona rahona sy setroka NY TOMPO amin’ny antoandro ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Ho eny ambonin’ny toerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona izany sady ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra; satria ho fiarovana eo ambonin’ny zavatra rehetra ny voninahiny.
malagasy
Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloeloKa hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.