Isaiah 40:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro NY TOMPO Andriamanitra ho avy amin’ny heriny ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny Aminy ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery sady manana ny fahefana hanjaka. Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
Malagasy Bible 1865
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro NY TOMPO Andriamanitra ho avy amin’ny heriny ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny Aminy ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
malagasy
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.