Isaiah 40:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»
Malagasy Bible 1865
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
malagasy
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.